<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>502</hymn_number>
<title>Finaritra ny vorona ao an'ala FFPM502</title>
<lyrics>[V1]
 Finaritra ny vorona ao an-ala
 Sy ao an-karam-bato avobe ;
 Na dia betsaka ny
 mpankahala
 Mivonon-kahafaty azy re ;
 Matoky izy, tsy misalasala,
 Fa manam-piarovan-dehibe.

[V2]
 Jesosy Tompoko no
 harambato
 Sy ala mafy ikirizako ;
 Na mafy aza sady tsy miato
 Izay ataon'ny fahavaloko,
 Mamely ahy ary misahato,
 Jesosy re no fiarovako.

[V3]
 Izay rehetra ta-hamely ahy,
 Mikendry, nefa sasa-poana ;
 Izaho dia ravo am-panahy,
 Tsy azony atao ahoana,
 Fa misy manda manodidina
 ahy,
 Izay miaro sy manohana.</lyrics>
</song>